Folaka Ihany - Samoela Lyrics

Folaka ihany ny anao ô ! Tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara à!

Mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. Ela ny ela ka voa !

Izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara à!

Ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an'ity jôba ity. Hanakory ny ho avin'ty ?

Ilay ankizivavy amin'izao fotoana

Mirongatra sady toa mamba noana ry zama à!

Ny statistika ankehitriny

Iray isan-jato ny virijiny Madama à!

Iry vao oviana no niala couche

Mi-accoste sady mitositosy ry akama à!

Iry zazakely vao firy taona

Ny kibo mibontsina toy ny pôma. Azafady ary !

Folaka ihany…

Maty fosan'ny bandy akama

Kôpy jiaby ny iray tanana ry Mama à!

Fa ikalamalalan'ny be dia be

Efa bikina mbola mandehandeha. Tsy arako intsony !

Ny MST efa izy tsy izy:

Sida, angatra, sifilisy. Tsy hay mihitsy à!

Fa mba fara-faharatsiny miaro-tena

Pelipelika anefa dia votsa saina. Mbay tany à!

Folaka ihany…

Ry dada sy neny mba mihevera

Rehefa voa anie ka tsisy « marche-arrière », mba jereo à!

Ny zanakareo anie ka manala azy

Mitrifana sahala amin'ny mpamosavy ! mba marina mafy !

Fa koboko teto izy afak'omaly

Efa avy nanao ny nataony tany! mba kôzy à!

Fa vao misy revy, dia lasa any

Nefa izay lasany any dia mampamangy. Mampamangy any anatiny any !

Folaka ihany ny anao ô ! Tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara

Mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. Ela ny ela ka voa !

Izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara

Ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an'ity jôba ity. Hanakory ny ho avin'ty ?

Folaka ihany ny anao ô ! Tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara

Mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. Ela ny ela ka voa !

Izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara

Ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an'ity jôba ity. Oay ‘zany bikan’ty !!!

Folaka Ihany lyrics !!!